Edito du pasteur

Le mot bénédiction, de son origine « eu-logia » ou « le bon mot », est le meilleur don offert par DIeu. La bénédiction vient de Lui, tant dans sa nature que dans son exécution. Elle peut s’illustrer à travers celle qu’Il a offerte à Adam et Eve : « Soyez féconds, multipliez, remplissez la terre ». Gen 1.28 ou à Abraham : « Je ferai de toi une grande nation, et je te bénirai ; je rendrai ton nom grand, et tu seras une source de bénédiction ». Gen 12.2 Notre Dieu est soucieux du bien-être de Sa création, et rend ainsi la bénédiction accessible à quiconque aspirant à Sa Grâce.

D’ailleurs, les patriarches de l’époque (Noah, Isaac, Jacob, etc.) bénissaient également. Ils faisaient perpétuer ainsi l’œuvre de Dieu. Ils croyaient en la Force et au Salut véhiculés par la bénédiction. On cite par exemple la rivalité entre Jacob qui a recouru à la ruse envers son frère Esaü, afin de pouvoir être béni par son père Isaac. (Gen 27)

Souvent, nous reconnaissons la valeur et l’importance de la bénédiction pendants différents évènements de notre vie : un nouveau départ, un tournant important, de nouvelles responsabilités, un périple, ou bien la construction d’un foyer… Pendant l’imposition des mains, des formules de bénédiction sont prononcées. Ce geste (imposition des mains – mots de bénédiction) est enrichi de paroles de Grâce et d’encouragement, et on croit qu’il est porteur de force pour ceux qui le reçoivent.

Rappelons-nous également du récit de la terre de Canaan, où le Seigneur a ordonné à Moise, que Aron bénisse le peuple d’Israël. On appelle cela bénédiction de consécration et bénédiction d’envoi. Le peuple d’Israël a été consacré pour Dieu et pour être Son serviteur. Aussi il a été envoyé pour aller au pays ruisselant de lait et de miel, après des années d’épreuve.

Cette bénédiction est toujours de rigueur : elle est appliquée à l’issue d’un culte où les paroissiens vont se lever pour faire face au monde. Les chrétiens reçoivent alors la bénédiction afin de luire la lumière du Christ et d’avoir l’assurance de la victoire face à toute adversité. Dieu est le pourvoyeur de la bénédiction, nous déclarons par la foi qu’Il en est aussi le réalisateur.

Ainsi, comme au temps de Moise, il est de notre devoir de vous bénir, en ces premiers jours de l’année, vous, chaque foyer, chaque famille, chaque homme et femme. Nous vous bénissons à travers ces saintes paroles divines relatées par Aaron : « Que l’Eternel te bénisse et qu’il te garde ! Que l’Eternel fasse luire sa face sur toi, et qu’Il t’accorde ta grâce ! Que l’Eternel tourne sa face vers toi, et qu’Il te donne la paix. » Nombre 6. 24 26

C’est Dieu qui réalisera les six promesses qu’Il a déclaré : Bénir, Garder, Luire sa face, Accorder la grâce, Tourner sa face et Donner la paix. Ces mots résument les oeuvres et la Volonté de Dieu à ceux qui les reçoivent.

 

Pasteur Solo ANDRIANOMENJANAHARY

Ny tsodrano, na koa hoe « teny tsara » (eu-logia) araka ny soratra masina dia fanomezana tsara indrindra omen’Andriamanitra. Avy amin’Andriamanitra ny tsodrano ary izy irery no afaka manatanteraka izay lazainy amin’izany.

Santionany tamin’izay nataony ny tsodrano ho an’i Adama sy Eva : « Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany » (Gn 1.28).Teo koa ny tsodrano nataony tamin’i Abrahama « hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao ».

Andriamanitra dia misaina izay mahasoa tokoa ny voahariny, ka mampiasa ny tsodrano ho lalam-pitahiana ho azy.

Ireo patriarka nifandimby koa dia nanome tsodrano. Tao i Noa, Isaka, Jakoba sns. Toy ny manohy ny asan’Andriamanitra izy ireo amin’izany. Ny tsodranon’izy ireo dia ninoany fa mampita hery sy famonjena ho an’izay nanaovana azy. Tsaroantsika manokana ny faminganan’i Jakoba an’i Esao satria te ahazo tsodrano avy tamin’i Isaka Rainy izy. Nahatsiaro izy fa sarobidy loatra ny tsodrano ka nilaina nifandrombahana. (Gn 27)

Teo amin’ny fotoana hanombohana fiainana vaovao ka andraisana fahaleovantena, na andraikitra manokana, na handeha lavitra na hanorina tokantrano no nanaovana ny tsodrano matetika. Eo ampametrahan-tanana dia manao fanambaràna fitahiana sy faherezana ny mpanao tsodrano. Izany hetsika [fametrantanana-fanambaràna] izany dia ninoana fa nombàn-kery nihatra tamin’izay nanolorana azy.

Rehefa hiditra ny tany kanana dia nanafatra an’i Mosesy Andriamanitra mba hanaovan’i Arona tsodrano ho an’ny zanak’Israely, Tsodrano fanokanana ary koa tsodrano fampandehanana no azo iantsoana azy. Natokana ho vahoakan’Andriamanitra sady manompo azy ny Zanak’Israely. Nampandehanina ho any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely ny Zanak’Israely, rehefa avy niaritra lalantsarotra nandritra ny taona maro.

Mbola tanterahana mandrak’ankehitriny io tsodrano io, rehefa vita ny fanompoam-pivavahana ka hanainga ho any amin’izao tontolo izao hitondra ny fahazavàn’i Kristy sady hiady ka handresy ny sarotra ny kristiana. Ary satria Andriamanitra no nampanao azy dia inoana fa Izy koa no hanatanteraka izay voalaza ao.

Toy ny tamin’ny andron’i Mosesy ary dia raisinay koa ho adidy amin’izao tonontaona Asaramanitra izao ny mitsodrano anareo isan-tokantrano sy isam-pianakaviana ary isam-batanolona araka ny tsodrano nampanaovin’Andriamanitra an’ Arona manao hoe : Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao; Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao; Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana. (Nomery 6.24-26)

Andriamanitra no manatanteraka ireo teny enina manan-danja loatra ireo : Hitahy, Hiaro, Hampamirapiratra Tava, Hamindrafo, Hanandratra Tava, Hanome fiadanana. Voafehy amin’ireo teny ireo ny asam-pitahiana misy lafiny enina sady feno izay sitrak’Andriamanitra ho an’ny olona mandray ny tsodrano. Mino izahay sady mitondra ambavaka fa Andriamanitra izay tompon’ny tsodrano no hanatanteraka izay tsara rehetra tokony ho anareo, dia fitahiana, fahasalamana, asa voatahy, tokantrano tondraky ny fitiavana, fikasàna tsara tanteraka, fahombiazana, mandritra izao taona vaovao 2018 izao.

Anjaranareo indray koa no mampita izany tsodrano izany ho an’ny ankohonanareo avy sy ny manodidina fa ankasitrahan’Andriamanitra indrindra izany.

Solo ANDRIANOMENJANAHARY, Mpitandrina